Fanombohana ofisialin’ny fampiofanana mitohy andiany faha valo (2025 – 2027)
Nanamarika ity fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-piofanana ity ny famelabelaran-kevitra nataon’ny minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana Ramatoa Razakaboana Hanitra Fitiavana tamin’ny lohahevitra hoe “Fitondrana tsara tantana sy fanavaozana ny asam-panjakana”. Nambarany tamin’ny faharesen-dahatra ny hampitsahatra ny fanao ratsy izay manimba ny endriky ny fitantanana ny asam-panjakana malagasy.
Tsara ny manamarika fa fotoana nahafahana nampita ny adidy aman’andraikitry ny mpiasam-panjakana ny fotoana toy izao.
Namafisiny ny fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny alalan’ny fandrindrana ireo mpiasam-panjakana efa amperin’asa, teo ihany koa ny fizarana mahakasika ny fitantanana ny volan’ny mpiasam-panjakana ary indrindra ny fitantanana ny maha olona.
Nambarany ihany koa ny maha zava-dehibe ny fampiofanana mitohy toy izao mba hampivoatra ny mpiasam-panjakana ary hanatsarana hatrany ny fahaiza-manaon’izy ireo .
Izao no atao dia mba ho olom-banona hamerina ny hasin’ny mpiasam-panjakana ary mendrika ny vahoaka Malagasy.
Marihina fa 198 ny isan’ireo mpiofana hanao ity fampiofanana mitohy ity.
Nanolotra fisaorana feno ho an’ireo nandray anjara rehetra nandritra ity fihaonana ity ny Minisitra ary nanome teny fandrisihana ho an’ireo mpiofana vaovao ho an’ny roa taona manaraka (2025-2027).