Actualités

VOEUX_MTEFPLS_2021
Notontosaina omaly Alatsinainy 04 Janoary 2021 ny tsanga-tsaina voalohany, fisaorana sy fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao sy ny firariantsoa rehetra ho feno fahombiazana tamin’ireo mpiara-miasa rehetra teo anivon’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’Asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna Sosialy izay tarihin-dRamatoa Ministra Gisèle RANAMPY.
Nandritra izany no nanaovana ny jery todika ny taona lasa 2020 ary koa namaritana ny fibanjinana ny taona vaovao 2021 sy ny hoavin’ny Minisitera.
Raha tsiahivina dia nandalo taon-tsarotra ny firenena nandritra iny taona lasa 2020 iny nohon’ny valan’aretina COVID-19 izay nianjady tamin’izao tontolo izao. Niezaka nifarimbona tamin’ny fitondram-panjakana Malagasy anefa ny teo anivon’ny Minisitera tamin’ny tolo-tanana izay niahiana ireo vahoaka izay tena sahirana tamin’ny alalan’ireo asa sosialy fizarana ny « VATSY TSINJO », ireo « TOSIKA FAMENO », ny fizarana ireo « AROVAVA », ny fitsinjovana ireo zoky olona tamin’ny alalan’ny fisotroan-dronono teo anivon’ny CNAPS ary koa ireo fanelanelanana ara-tsosialy tamin’ireo orinasa maro dia maro tsy miankina amin’ny fanjakana izay nanana olana nandritra ny fiatrehana iny valan’aretina iny.
Fa na dia teo aza anefa ny tao-tsarotra izay nolalovan’ny firenena dia niezaka hatrany ny teo anivon’ny Minisitera nanantotosa tamin’ny antsakany sy andavany ireo andraikitra maro samihafa, na ny teo amin’ny lafiny arak’asa, na ny lafiny foto-drafitr’asa, ny lafiny fitsinjovana ny ara-sosialy ary indrindra ny fitsinjovana ny mpiasam-panjakana.
Raha ny momba ny foto-drafitr’asa fotsiny no tsiahivina dia miisa sivy (09) ireo biraom-panjakana izay notanterahina tamin’iny taona 2020 iny ho an’ireo fitalevam-paritry ny Minisitera manerana ny Nosy, ary koa ny famatsiana fiara tsy mataho-dàlana azy ireo izay tafiditra indrindra ao amin’ny vinan’ny filoham-pirenena ho an’ny asam-panjakana manakaiky ny vahoaka.
Nisy ihany koa ny fampitaovana ireo fitalevam-paritra roa amby roapolo (22) manerana ny Nosy, fametrahana ireo fitaovana ara-informatika sy ara-kajy mirindra ho fanatsarana ny fitantanana ny mpiasam-panjakana tamin’ny alalan’ny fametrahana ny rindran-damina AUGURE (Application Unique de Gestion Uniforme des Ressources humaines de l’Etats) izay fiaraha-mitantana eto anivon’ny Minisitera sy ny Minisiteran’ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola ary haminavinana ny fanatenterahana ireo sata vaovao mifehy ny asam-panjakana manontolo sy ireo fanamaivanana ny fikirakirana ny asa any anivon’ny faritra.
Maro ihany koa ny fitsinjovana ny lafiny arak’asa, ny fanavaozana ireo didy aman-dalàna mifehy ny asa, ny mahakasika ireo fifanarahana iraisam-pirenena izay notanterahina nandritra iny taona 2020 iny niarovana ireo orinasa malagasy, ny mpiasa malagasy ary indrindra fa ireo mpiasa mpifindra monina malagasy izay mila ravinahitra any ivelany. Nisy ireo nody an-tanindrazana, nisy ihany koa ireo mbola nijanona nanohy ny asa ka tsy maintsy mifantoka ihany koa amin’izy ireny ny eto anivon’ny Minisiteran’ny Asa.
Nanao tatitra jery todika ihany koa ireo teo anivon’ny ratsa-mangaika ny Minisitera rehetra, isan’izany isika eto amin’ny ENAM, mahakasika ny ezaka izay natao nandritry ny taon-dasa ary ny vina ho an’ny taona vaovao.
Maro dia maro ireo asa vita na dia teo aza ny hamehana ara-pahasalamana, ka nandritra ny lahateniny dia nanararaotra ihany koa Ramatoa Minisitra nampahery hatrany ireo mpiasa rehetra na ny miankina na ny tsy miankina amin’ny fanjakana mba ho tafita soa aman-tsara hatramin’ny farany izao ady atrehin’ny firenena izao ka ho to amin’ny antsakany sy andavany ny andraikitra izay sahanin’ny tsirairay avy.
Source: Serasera Mtefpls

Laisser un commentaire

Your email address will not be published.